ENY RY ANATIROVA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setrin'ny tononkalon'i Nyeja hoe "Eny ho aho ry Anatirova"

ENY RY ANATIROVA

Eny ry anatirova,
Ianao akory tsy hiova
Na ny herinao, na ny hasinao
Na nodorana aza ianao

Eny ry anatirova,
Rindrin-drava sisa lova
Lanitra no tafonao
Nefa tsy adinonay ianao

Eny ry anatirova
Na ny hafa na ny Hova
Dia samy tsy hanadino anao
Maika moa fa hoe izaho !
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fahatsiarovana
1844 2
Mpakafy: blanc - hery
Hevitra mandeha
FAGEGY ( 15/11/2006 11:50)
mahafinaritra be fa misotra betsaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0328