Eny (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
setrin'ny tononkalon i Nomena Toavina Rasoanindrainy

Eny ee

Ny teny farany ambarako , ho anao ry zandrilahy
Dia saotra sitraka sy telina, tsy nihafa ianao na niahy
Niteny tsy nisorona, tsy nisala nanambara
Izay tao am-ponao tao, sy tsy nikafarafara

Vitako ny adidiko, hoy ianao nilaza
Marina ny anao, tsy hoe resa-jaza
Na teniteny maivana, hoe fitia te hiteny
Fa tena vokatry ny fo, tsotra tsy lavareny

Ilay vohontanany nataony tsara tery
No mahalasa saina sy mampiteny irery
Dia hoy koa ange ianao, izy saikatsaikatra
Dia iny indray koa aho lasa sadaikadaikatra

Eny e .. mamerina fisaorana, aleo ny resaka hilamina
Vita ny adidinao, izaho hangina hijanona
Izay eritreriny any, aleo ho tsiambararoany
Isika koa tsy afaka hitsikilo ny ati-dohany

Mankasitraka e !
--------
Rohy:
1272 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0309