Hafatry ny vavako (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ataoko an-tsipitady, izany hafatro ho anao
Atahorako ho very, raha ratsy toraka fandrao
diso ny lalana alehany, ka tsy tafita izato balany
ka tsy tody any aminao, ilay tifitra-hafatry ny Lalany

raha lakaniko an-teny, hampitaiko izany onja
ireo vetsoko tsy foiko ireny, raki-pitiavako mafonja
matahotra aho, sao diso vily, ilay lalan-driaka voizina
ka ny hafatro tsy tonga, ny saiko koa ho voapoizina

raha asidiko ny habaka, ho entin-tsioka sy tadio
ireo vetsovetso-poko ho anao, amin’izato andro anio
sao somparam-bohitra any, na abiriokan-dohasaha
ka ny hafatro ho very, tsy hay fiafara any lahy

raha hindramako sakaiza, hitondra teny maromaro
matahotra indray ny saiko, ka manjary saro-piaro
sao raha manatsafa izy, ka ny hafatro no entiny
dia ilay rano natsakaiko, aminy no hody ventiny

ka aleo am-pahendrena, no hiandrasako indray
ilay figadonanao, andrasako ilay andro iray
fa amin’izay ho mamy indrindra, ilay hafatry ny vavako
raha mifanatrika ny tava, sy isika roa re rahavako
--------
Rohy:
1284 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.026