Hataka (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nandray ny peniko aho androany,tsy haiko izany hoe hitomany,
Fa dia taratasy ihany, no mba fizarako izany,

Taratasy nefa haninona ? ary penina ho aiza ?
Tsy hanambitamby tsinona, na hampionona hitaiza

Nefa dia noraisiko ihany, hizarako ity kapoaka
Ity alahelo, ity tomany, tsy afaka, na te hitroatra

Fenobe ny foko androany, nitobaka ny fihafiako
Dia tsy voatanako izany, izay no tena fijaliako

Ary teo vao afa-drakotra, ka dia niseho miharihary
Ireo tanatiko voarakitra, tsaboy ny foko fa maharary,

Mba mangataka aho androany, mba handefaso tambitamby
Mba handefaso hanihany, mba handefaso sangisangy

Mba mangataka aho androany, omeo na dia tsikitsiky
Izany teny mamy izany, tsy maninona izay misy

Mba omeo re na dia kely, f'hotsitsiako tsy ho lany
Na oroka, na mamikely, fa tsy ampy ahy daholo izany

Eny na dia topi-maso, teny mamy iray na roa
Na dia tsiky sy pi-maso, dia raisiko an-tanan-droa

Hataka ihany anefa izany, toy ny hataka rehetra
Hatak'olona tomany, sao mba misy iray mitsetra

Mba nangataka aho androany, na dia tsy mba manantena
Fa hivaly indray andro any, izay mba hatako, homena

Ka dia ny peniko ihany, sy ny taratasy fotsiko
No mba mifampizara izany, hanafana ny alim-potsiko,



Clichy, 10 Marsa 2003
--------
Rohy:
1202 0
Hevitra mandeha
NyKanto ( 12/07/2004 13:21)
Iraisantsika mpanoratra ny fitadiavana fialofana ao anaty tononkalo rahefa izay mandalo ny orana mikija ... nefa tsarovy hatrany fa ao koa ireo namana afaka hanelo sy hitondra ny masoandrom-pifaliana... ho setrin'io tonokalon'ise io dia navelako ao ilay hoe " Tahaka ny tenako".
Am-pinamanana.
Ny Kanto.

Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.026