Hiverina eo - raozigasy
Azo vakiana?
Ho setrin'ny tononkalon'i Kiriah hoe "Dia gaga aho "
Hiverina eo izy rehefa maraindraina
tsy nety ny dia tany ka tena niala maina
fa any an-trano ihany, hono no maminy sy tiany
ny hafa any ivelany, ange ka kindriandriany
Any aminao ihany, hono no misy ny ambiansa
ny hafa sasany any, fakany kely avansa
any aminao ihany, hono no tena andrian'ny fony
ny hafa any ivelany, fanalany mony
Any aminao ihany, hono no matotra ny resaka
ny hafa any ivelany, fanalany vesatra
any aminao ihany, hono ny fiainany no atokony
ny hafa any ivelany ka fanalany vokony
k'andraso eo hono izy, fa tsy maintsy hiverina
izay sinda kely tany, hono ve tsy ho azonao leferina
fa ianao ihany hono, no tokan-tompon-daka
sady na inona ataony, ianao no mahazaka !!!!!
Hevitra mandeha
mitantsotia (16/09/2013 16:43:43)
Kay! mba maharary ihany anie na dia tsy maintsy andefitra aza e, raha tiana ihany ve maninona no mitady any an-kafa?
Mombamomba
Mpanoratra : raozigasy

Nampiditra : raozigasy
Daty : 04/09/2013
Mpamangy : 1220
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Orohy aho akia malala aTratry ny taona 2020 Ho
Gaigy be
01 Novambra 2019
Ry zalahy sy ny sasany
Natahotra
Peratra
Un jour mon fils tu vas m
Fan Zone
Ialahy