Ialahy (raozigasy)

Nantsain'i raozigasy
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ialahy

Tsy tiany hono ialahy
Fa ny hiran ialahy, mbola hira kaiamba, sy « discomad »
Mandihy « slow » sy mandihy « blues » no mbola fomba fiady
Fikoty taloha, efa lany andro, sy efa fahiny
Ka any an-kafa hono mitady ny mety fa dia aza tsiny

Tsy tiany hono ialahy
Fa ny jaikan’ialahy, mbola lobakabe, mihidy ny tenda
Rehefa mihaingo dia mitapelapelaka koa ilay kenda
Ny pataloha mbola velon-drirana tsara, mandidy savony
Tsy izany mihitsy hono no bandy mba irin’ny fony

Tsy tiany hono ialahy
Fa ny resak’ialahy mbola saro-kenatra sy miolakolaka
Rehefa hifanao veloma, mbola oroka telo eo an-takolaka
Ny fombafomba sy fiadin’ialahy mihitsy no efa tranainy
Tsy tiany hono ny olona mitovitovy taona amin’ny rainy

Fa ny olona tiany hono lazaiko an’ialahy
Olona mihaino ny hiran’i « Tsota », ilay « Maka tsirony »
Mivoaboaka misera, bandy hoe maharaka sy bebe filirony
Bebe tatasiaka, tiany mba hiaraka hoe manala azy
Dia samy mba kopy rehefa miresaka ilay « Aminazy »

Fa ny olona tiany hono lazaiko an’ialahy
Ny tafy mba vao, manara-damaody sy toetr’andro
Tsy maninona mihitsy ny pataloha, raha manara-dranjo
Ilay misy rovitra iny mihitsy aza no tena tiany
Dia atao hita sy tazan’ny maso ilay lafo vidy iny

Fa ny olona tiany hono lazaiko an’ialahy
Rehefa miresaka, mba mivantambatana hoe sahy sa tsy sahy
« Achafaady » ataovy tsotra sy teny mazava izay lazain’ialahy
Dia rehefa miantso dia faranana hoe sa ahoana « bb »
Fa tsy atao ilay firesak’olona efa zokinibe

Adabohy any leitsy iny resaka iny fa efa tsy afera
Dieny tsy avoakany « fb » hoe « misy raha la terra »
Ialahy ange efa tenenina foana hoe ny hafa jerena
Ilay matomatotra sy madamadama mitovy amin’ny tena

Tsy mety amin’ialahy leitsy ilay sipakely, io koa mila fananana
Ny taona mandeha, ny fotoana lany, maniry kitro ny tanana
Fa … mandehana mamonjy « association » any feno « cougar »
Ny taonan’ireny no mety amin’ialahy fa ialahy efa soara

© Raozigasy 26/06/19
--------
Rohy:
1674 1
Mpakafy: boyanjahnah
Hevitra mandeha
ikalamako ( 04/08/2022 09:29)
hahaha feo cougar ahoana kosa ny association Raozigasy a !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 26/06/2019 20:31
Antsantononkalo
Nantsain'i raozigasy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0303