Ilay (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay …

Ilay sariakanao, miresaka mitafa
Ilay fitsikinao, tsy miavona na mihafa
Ilay angolam-peo, satry foana ho re
Mitambatra manjary, zoto be dia be

Ilay tafa an-tarobia, tiana hoe hitohy
Ilay resaka atao, tsy tiana hoe ho fohy
Ilay halatra fotoana, tiana hoe itarina
Satriko haheno anao, izay no tena marina

Ilay nifanara-dia, toeram-bitsivitsy
Ilay fahamatoran-tafa, tsotra sy mahitsy
Ilay samy tsy nisala, fa vonona hifandray
Nitondra hery ho ahy, hazoto hiasa indray

Ilay tohiny avy eo, hifanao fotoana,
Fa rahampitso indray, dia afaka hihaona
Teo aho vao mainka nientana, nahazo ainga vao
Fa tsy ho ela indray , dia hahita anao
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2672 0
Hevitra mandeha
Soarilala ( 08/05/2011 16:08)
Ilay fihetsikao, izay nahasarika ahy
Sy ilay bitsikao, nambabo fanahy
Anembonako anao, foana hatramin'izao
Mandram-piandry ilay fotoana, hihaonana aminao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0259