Iny ravina iny (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin’ny tononkalon’i Lovasoa « ravinkazo marorira »

Iny ravina iny
Tsy hainao ny tantarany
Tsy hainao koa ny anarany
Fa iny no ody tahotra
Fanafana ho an’ny vahotra
Herin’ny kanosa
Ainga mampisosa
Ny vetso te hiavaka
Hanidina eny an’habaka

Iny ravina iny
Tsy takatrao ny vidiny
Raha mbola tsy nasidiny
Nanakaiky lanitra
Manga sady manitra
Ny tontolonao finaritra
Ny jalinao tsy haharitra
Fa eny ianao tomefy
Noanoa tsy voarefy

Iny ravina iny
Tsy tsapanao ny heriny
Sy banjina fijeriny
ny embona somambiny
ny sangy tambitambiny
fa hasambaram-bao
isan’andro mihavao
ho hitanao, tazano
mandehana ange … andramo
--------
Rohy:
859 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0256