Iombonako (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny fehezan-tenin'i R. Mavo Vahatry Ny Aina

"Toa very avokoa ny maha Gasy fahiny, tsy nisy nandova ireto taranaka
raha ny fiainana ankehitriny, dia azo lazaina fa MBOLA VOAZANAKA ! "

Iombonako

iombonako aminao tanteraka izany fehezan-teny izany
zava-misy mantsy ny anao, fa tsy hafatry ny mpaminany
tsy teniteny te hirima, ka hoe hanaovan-tsianjery
fa hafatry ny trangam-piaina, sy manodidina jinery

iombonako aminao tanteraka ity hafatrao ity
marina tsy azo ialana, na hiodinana an-kavia
sa ahodina amin'ny hoe : izay ilay fanatontoloana
ka ilay soatoavina mihitsy, no ezahina hosoloina ? 

iombonako aminao tanteraka, ny kanto izay arantinao
tsy ilay manenji-drima fotsiny, te higadona hoe mba manao
fa manandratra literatiora, manandratra fomba fisaina
toa anao no tena malagasy, malagasy rà sy aina

iombonako aminao tanteraka, ilay fery anaty izay manaikitra
ilay tampisa-pivoarana, sy fandrosoan-tiana araikitra
ilay alahelo ny fahiny, hototofan-taiza vaovao
ilay fahendrena sarobidy, tsikelikely toa mandao

Raozigasy
--------
Rohy:
920 1
Mpakafy: Mashou
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0321