Izaho angamba mety hifindra ... (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setrin'ilay "atsy ananonanona atsy" nosoratan'i kiriah

Izaho angamba mety hifindra, atsy ananonanona atsy
hiandriandry anao rehefa, iny ianao ka lany vatsy
dia hanolotolotra, hanome, izay lavitra tsy takatrao
amin’izay isika roa, mety hiova kilalao

Izaho angamba mety hifindra, atsy ananonanona atsy
Hanara-dia ity fisainako, matetika ka ratsiratsy
Dia hanarakarak’olona eny, indrindra raha toa ka sendra ianao
Dia hisolantsolam-bava, hiresaka izao sy izao

Izaho angamba mety hifindra, atsy ananonanona atsy
Hibalabala rorakely, hitifitifitra, hifantsy
Dia hampiresadresaka eo, ilay sipa akama lavi-kavana
Rehefa ela ve ny ela, tsy hivadi-dela ho rahavana

Izaho angamba mety hifindra, atsy ananonanona atsy
Satria tokoa toa nisy resaka, henokenoko koa mantsy
Hoe ilay olona izay, mitady hivaravaralila
Ka nieritreritra ny saiko, izaho hitady raha izy hila
--------
Rohy:
809 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311