Izaho manimanina (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny hafatr'i Dafy Noely , sy hafatra fohy omena azy kely

«  aza jerena ary aza tomorina, hono ilay varavarankely
sao tsy zakanao ilay sinto-mahery ri'ngahy Dafy Noely »

Izaho manimanina

Misy dindo mandondona, mandondona sy manao haody
manaitra, manetoka, ny anaty lalina an-kaodikaody
Misy tsiaro, tsy resim-potoana, tsy tototry ny ampoka
fa misoko mora, tsy ahoan-tsy ahoana, fa mamely tampoka 

Misy amboara saro-pehezina, misisika hivoaka
ireo tsy nambara, raki-pehezana, lasa mitsoaka
Misy lavenona notsofin-tsioka, ka nitambatambatra
namelona sary, tsy nambarambaran'ilay sambatsambatra 

Misy fahiny, nihoatra ny fefin'ny fanadinoana
tsy nanao azafady sy mbay lalana na koa nifona
fa tonga dia tonga, nitsambiki-mikimpy an-tsakodim-panina
nahatonga ny tsiahy sy tsiaro hipody, k'izaho manimanina

Raozigasy
--------
Rohy:
1128 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308