Izany foana ange ny fiasany (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ho setrin'ny "hono" nosoratan'i kiriah

Dia iny fa manambitamby
Fa raha iny hono izy manana amby
Hozaraina sy homena
Voka-po fa tsy terena

Dia mitsapatsapa toerana
Hoe hatraiza no tsy ferana
Satria ianao mbola malemy
Ka hanaiky tsy hiteny

Dia mandamina mandango
Amin’teny tsara bango
Satria ianao mbola malia
Valalanin’ny fitia

Dia mitady hidi-dalina
Hoe handrotsy anao rahalina
Satria ianao matory irery
Kanefa mila jerijery

Dia miketrika hilalao
Amin’ny toraka bilao
Amin’ny fahorian’ny sasany
Izany foana ange ny fiasany
--------
Rohy:
867 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0314