Lalako (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nifanena tamin'ny Tsiahy
teny an-dalana aho androany
dia hoy izy mantsy ahy,
nanatsafa, nanontany :

Efa nisy firy taona
ny fahazazanao no nimaona
mba tadididnao ve moa
irony fiananao taloha

Dia lasa izy miramirana
nidify ery an-kodimirana . . .


Dia nanohy ny diako aho,
niherika ny taona maro
dia avy ao afarako ao
nanaraka ahy ilay Tsiaro

dia nampiresaka ahy indray
hoe tadidinao ve tamin'izay
ny hatanoranao, fitovoana
nisy ve izay mba tsaroana !!!

Dia nosongonany ahy avy eo
navelany irery teo . . .


Dia hotozoako ny lalako
hotazaniko ny anjarako

Clichy 12/05/03
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy - Hanina
2298 1
Hevitra mandeha
NyKanto ( 08/06/2004 07:04)
Aza avelanao hisongona
na hihoatra anao tanteraka
ilay Tsiarom-pahazazana
Fa avelao ireny hiombona
Ho tantara lasa iray
Amin'izay
Ilay hoavy andrandraina
Ho tantara vaovao
Iriko tsy ho ela
hifanena aminao.
Ny Kanto.


booboo ( 02/07/2004 10:47)
Bravo Raozigasy dé merci NyKanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0307