Lavitra savoana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nandravahana ny hosodokon'i Hantanirina Oliva Rajoharison

Narotsakao miandalana, ilay tafy fotsifotsy,
sisa tampifin-drakotr'ity hodi-ngalingaly
ianao miomankomana, hamonjy rotsirotsy,
dia manala kavina, somebika sy faly
miandry ny fotoana , ianao tsy miraika,
sady mijery bika, mandamindamin-tao
tsy rototra mihitsy, tsy misy mahamaika,
tsy misy raha mandondona ka aleonao milalao

eo mantsy no fotoana, hitenenanao irery,
amin'ny fitaratra, indraindray ary moa mizana
hanaovan-kajy an-kandrina, ireo kilao tsy very ,
na koa hisaoran-tena, ny lanja izay voatana
dia feno fandinihina, ity kanton'ny nahary,
ireo lesoka tsikaritra, handinihin-tena
ireo tsiny kely hita, lazaina fa mibary,
tsy mety afa-po amin'ny kanto izay nomena

izay ilay olombelona, mikatsaka ny lafatra,
tsy mety afa-po, mahita tsiny foana,
izaho mijery nefa, mahita anao hoe fatratra,
sa ny saiko sy ny masoko, no lavitra savoana

Raozigasy
--------
Rohy:
1066 0
Hevitra mandeha
dadatsima ( 02/03/2014 22:51)
Mahatsiaro an'i DOX aho mamaky ny tonokalonareo
raozigasy ( 03/03/2014 02:34)
Misaotra anao e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0464