lazaiko anao ny marina (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setrin'ny tononkalon'i Adrien Ratolojanahary hoe "Halatra fitia"

Lazaiko anao ny marina
Fa ny oroka angalarina
Raha toa ka itarina
Ka ny fàna akarina
Dia mahavarimbarina
Sy mahakamo miarina
Mahatonga feo ho farina

Ka aleo ianao anarina
Aleo manao ny marina
Raha vao tojo sarisarina
Fitia tsy tena marina
Dia ny resaka aza itarina
Ny tapi-maso akarina
Fa fisainana mivarina
--------
Rohy:
1013 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0307