Mahatamana amin'ny FB (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na Antananarivo moa io na Paris
hiondanana foana ity FB ity
Na an-dafy hafa io na koa Gasikara
ity FB ity efa tena tantara

fa eto no hita ny toetra rehetra
ny saina madio sy ny saina voretra
ny endrika ivelany sy ny hambohambo
ny toetra anatiny s'ireo hafa atambo

fa io indray izao no toa loharanom-baovao
ireo "fosafosa" sy ireo " tantarao"
ireo takalon-damaody sy ireo hajejoana
ireo "regime" atao sy ireo hakamoana

fa eto ihany koa no misy feeling
ny "jante alu" sy ny fiara "tuning"
ny toaka avo razana sy ny "whisky"
ireo revy maloto teto sy tery

dia maro koa eto no mifampitady
akama, namana, fianakaviana sy vady
hita eto koa ireo mifampikaoty
ireo mpiady an-tsena mifandaka amin'ny baoty

izay film tsy hita eto no manenina
tsy hoe izaho akory no mahita tenenina
fa izany no marina sy "kozy vrai"
ka mahatamana amin'ny FB

Raozigasy
--------
Rohy:
1297 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0271