Mamon'ny fitiavana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
setrin'ny tonokalon'i kiriah hoe"mamony aho lehireto"

Iny ianao fa hitako, Mamon’ny fitiavana
Difotry ny tsiky, Hatreny am-paravazana
Ny masonao jerena anefa toa tsy mena
Izay hataky ny olona toa tonga dia omena

Iny ianao fa tazako, doroky ny vetso
tsy mahalala intsony izay siakan-teny sy eso
fa dizim-pifaliana, sy feno hamiranana
izay olona resahina, arahabaina sy tantanana

iny ianao fa tsinjoko, vizan’ny fitia
ka mitsingevaheva ery ambony ery
ka feno anao daholo, ny habaky ny tany
satria ny fiainanao, mamy tena mamy

injany ianao fa reko, valalanin’ny ainga
ka navadikao ho hira, izay resaka miainga
dia amboaramboaran-teny, ampoka fanahy
no entinao misera, tsy misy henatra na ahy

izay nahita anao, mitsiky avy hatrany
misy aza mialona fa te ho mamo toy izany
fa ny ankamaroany, feno koa ny fony
satria tsy tiany hisava , ka ianao tsy ho mamo intsony
--------
Rohy:
1464 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0319