MPANAKANTO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPANAKANTO

Raha mpanosodoko aho dia …….. ;;

Noraketiko tan-tsary
Mba ho hita miharihary
Ny fijeriko ny fiainana
Amin’izay mba misy hisainana

Raha mpihira aho dia .............

Nokaloiko tsy an-kiato
Averimberiko in-jato
Ny hiram-piainana rehetra
Ka any am-po ireo no hitoetra

Raha mpitendry aho dia .............

Tamin’ny feo milantolanto
No namoahako ny kanto
Ka hampiritsoka ny sofina
Sy hampangoritsina lamosina

Raha mpikabary aho dia ......

Nisafidianako ohabolana
Sy hainteny miolankolana
Hanehoako ny hevi-dalina
Entina misaina ny alina

Saingy

Manoratra re no mba haiko
Ka an-tononkalo no ampitaiko
Izay ao an-dohako miafina
Ka ao ilay Kantoko tarafina

14-02-06
--------
Rohy:
2015 1
Mpakafy: pissoa
Hevitra mandeha
hasiniony ( 18/02/2006 08:39)
Misy zavatra ratovina
Misy hevitra tovozina
Ary noho ianao Poeta
Dia misy foana ny hetaheta!

Mahereza eh!
pissoa ( 09/03/2006 18:23)
Tsy hanisy tsikera fa hametraka isa fotsiny, hihihi ...
Tiako be ilay izy!
raozigasy ( 15/03/2006 08:58)
Hasiniony sy Pissoa
Misaotra anareo tokoa
Amin'ireto teny mamy
Fa tena mankahery izany
helitiana ( 21/10/2006 05:47)
Tena mpanakanto ianao
miharihary tsotr'izao
ka tena iriko mba aharitra
ny tsiaronao an'Andriamanitra.

Dia mahereza fa tsy nisy angamba izao maha-mpanakanto anao izao raha tsy teo ilay Nahary .
raozigasy ( 21/10/2006 21:45)
Tsy Mpanakanto aho fa manoratra
Mitondra teny mba ho ohatra
Mampita jery izay voazaha
Mizara izay vetson’ny fanahy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0302