NANGORITSINA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANGORITSINA

Nangoritsina aho nahita , Ilay sarianao misarom-boaly,
Nihoron-koditra aho nijery, ilay sarinao izay falifaly,
Nihararetra ny hodi-dohako, nipararetra ny tanatiko
Nangorangorana ny tenako, fa nisy fery iray tsy tantiko.

Na dia efa fantatro aza, eny na dia niomana aho,
Fa ny sarinao ho hitako, dia sary efa sahy,
Nifidy izany lalanao, hanaraka azy tsy hiahy,
Dia mbola nisy akony ihany, somary nahatohina ahy

Tsy ifanomezan-tsiny izany, fa safidy fotsiny ihany,
Lalam-piainana daholo, ka tsy atao hampitomany,
Fa vao maika hataoko sedra, hiatrehiko ny ho avy,
Ekeko raha izay no tendry, natao ho ahy, natao ho azy.

Eny, somary resy kely aho, somary simba saina kely
Eny, angamba tsy ho fondro, raha toa nalemy, toa voavely,
Tsy fidiny ahy na hoe niniako, fa olombelona ihany,
Indraindray mba falifaly, indraindray mba mitomany

Eny fiainana daholo izany, ka tsy arahina toloko,
Fa efa fantatsika koa, izay tam-ponao sy tam-poko,
Ka ny ampitso no aleo, hitohy amin’izay lalany any,
Izay tantarantsika koa, iny mbola antsika ihany.

Dia sady mitso-drano anao, no mizara ny taraina,
Ny fahiny fantatrao , fa efa tao ilay zaridaina
Ilay niarahan’ny fitia, niroborobo sy naniry,
Tao ilay zaridainantsika, tao ilay tantara no nitsiry . . .
--------
Rohy:
2354 2
Hevitra mandeha
pissoa ( 09/03/2006 18:16)
Nangoritsina aho namaky ny tapany voalohany amin'ilay tononkalo ... Soa fa nisy hoe "Eny fiainana daholo izany, ka tsy arahina toloko,"
raozigasy ( 09/03/2006 23:35)
tena niainana
ilay fiainana

ny fitarainana
nisainana
arson ( 10/05/2006 12:33)
tena mahafinaritra ny mihaini ilay tonon-kalo satria tena otran'ny tenako mihitsy no voa na mbola tsy nianjady tamiko aza izany
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0268