NANONOFY AHO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanonofy aho, nisy antso
nataonao nisasak’alina
Nanonofy aho, nisy kiaka
nandrovitanao ny alina
Nanonofy aho, nisy feo
sempotsempotra sy kenda
Nanonofy aho, ny anarako,
notononinao an-tenda

Nanonofy aho, orokoroka,
fihimpihina mahery
Nanonofy aho, masonao,
nikimpy sady lalin-jery
Nanonofy aho, molotrao,
mitohoka etsy sy eroa
Nanonofy aho, izaho sy ianao,
efa olona tsy roa

Nanonofy aho, fikipikitra,
namikiranao ny tratra
Nanonofy aho, taraindraina,
toa feon’olona maratra
Nanonofy aho, dinidinitra,
nikoriana nitsontsorika
Nanonofy aho, kaikikaikitra,
tan-tenda ary koa tan-tsoroko

Nanonofy aho, nisy vatana,
niara nihovitra sy tsemboka
Nanonofy aho, fa fitia ,
no niaraha-nandatsak’emboka
Nanonofy aho, hafanana
tafakatra avo nisendoatra
Nanonofy aho, antsika
ny mari-pana tafahoatra

Nanonofy aho, sento tokana
nefa feno hevi-dalina
Nanonofy aho, jery lefaka,
natopinao tam-poko lalina
Nanonofy aho, Teny mamy,
nampangorintsina ny sofiko
Nanonofy aho, rangodrangotra,
nataonao faritra an-damosiko

Nanonofy aho hoe , Ianao,
niteny mafy nampitony
Nanonofy aho hoe , Andao,
aza manonofy intsony
Nanonofy aho hoe , Isika
no indray nikiaka ho ren-danitra
Nanonofy aho hoe , Isika
niara sambatra salanitra


Nanonofy aho, nofy adala
Feno ditra, feno halatra
Nanonofy aho, nofy tsara
Fitia voarara tonga lafatra
Nanonofy aho, nofy redy
Tanaty ali-mangatsiaka
Nanonofy aho, nofinofy
Hoe tafahoana indray isika
--------
Rohy:
2597 2
Hevitra mandeha
salohy ( 05/04/2006 07:39)
Tena manana aingam-panahy tsara miitsy enao nanoratra ity an! tena tiako e! misaotra e!
raozigasy ( 06/04/2006 07:27)
Misaotra anao Salohy, eritreritra sendra nandalo iny dia navadika ho tononkalo e !
katiaa ( 30/01/2007 23:32)
Tena tiako kou lasalasa mintsy ny fanahy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.027