Neny (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny ,

Ianao ilay fatotr’aina, fototra niaviana
Izaho ilay sombin’aina, zanaka nirina
Ianao ilay tohy sy rohin’ny fiaina-mifandimby
Izaho ilay naterakao ho fara sy dimby

Koa noho ity andro izay, natokana ho anao
Noho ity daty anio izay niniana natao
Dia an-tsoratra aho, no mandefa hafatra
Mbola ianao ry neny no olon-tonga lafatra

Dia tsaroana ihany koa, ny reny rehetrarehetra
Izay iaraha-mahalala, fa mitovy tarigetra
Hikatsaka hatrany, ny tsara ho an’ny zanany
Ny tena fahamendrehana ho an’ny taranany
--------
Rohy:
10198 6
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 05/06/2009 20:33)
Misaotra e! Tsara rafitra,tsara rindra !
mangidy ( 06/06/2009 14:11)
R'y neny o ry neny tiako
Lazaiko anao fa tsy afeniko
Ny tenako dia mbola kely
Tsy manambola velively

Aza dia omena tsiny
Ireo nitrotro ahy fahiny
Fa ny azoko omena
Dia ny foko volamena

Ny tananao nanambitamby
Lamosinao nibaby
Ny tratranao fiondanana
Nahitana fiadana

Arabaina ianao ry Neny
Izay antsoiko ombieny ombieny
Ka ho tsaroko lalandava
Ny anaranao tsy afaka ambava

Fony aho nibadaba
Ka niantso an'i dada
Ianao kosa teo foana
Namahana ahy rehefa noana

Vavaka aho ho anao
Ho heno atrany andanitra any
Ny tsy anadinoako anao
Neny mamiko eto antany
fahamarinana ( 06/06/2009 21:01)
oudryyyy ! Misaotra akia Mangidy a !tena mamy njy fa io no notadiaviko hatraiza hatraiza androana kty ! kiss be
Faha
mangidy ( 07/06/2009 20:53)
fahamarinana a! efa nisy nilaza taty amiko anie hoe mitady an'io njy e!
hihii kiss mamy njy de tratry ny fety e! ary mba amelao kely @ le gato za @ sisa a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0259