Nofy lavitra (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lavitra ianao
Nefa tsy irery
Satria ny masoko eo
Mangalatra mijery
Mangalatra manaraka
Manaraka ny nofiko
Sady atositosiko
Hihanakaiky hatrany

Dia ianao no hitako
Ka ny bitabitako
Sy fangitakitako
Pelika tsy tana
Tsy mba nihanahana
Fa avy dia nandray
Ilay rantsan-tanana
Tiana hotantanana

Dia nitsiky ianao
Namaly tsiky ahy
Nifampijery isika
Sady nifamihina
Sady nifanoroka
Dia nifankatia
No mbola nanonofy
Hoe tanaty nofy

. . .

Tonga saina aho
F’hay lay ondan-dava
Nataoko fa ianao
Tapaka ny nofiko
K’ilay ondana natosiko
Nangarika aho nijery
Nahatsiaro fa irery
Fa lavitra anao

Paris 15-06-04
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
2547 1
Mpakafy: raozigasy
Hevitra mandeha
Tikwel99 ( 06/04/2013 06:45)
tiko be! tsara
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0314