O RY VETSO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O ry vetso

O ry vetso, fampitana embonembona, miangavy
O ry vetso, ilay sakaizan’ny fitia be elanelana
Ianao no anankinako ny ampitso sy ny ho avy
Hamafiso ny fitia , anananay fa aza aserana

O ry volan-tsinjo lavitra, mahita izao tontolo izao
O ry volana eny ambony, haiko fa ianao banjininy
Ka abosesiko aminao, ireo hafa-poko ampitao
Handatsa-paka ilay fitia, ka tsy hozarainy fa fihininy

O ry vetso, vazom-po, ritsodritsoka fitia
O ry volana somamby, taratr’ireo tsiahy mivoaka
Soa fa teo moa ianareo, fa amin’iza aho no hiara-dia ?
Rehefa tsy tohitro ny sedra, homamiadam-po mandoaka
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1266 1
Hevitra mandeha
Zozoro ( 28/05/2009 14:55)
Kanto sy manana ny maha izy avokoa ny tononkalonao rehetra. Ankamamiko ny fehezanteny, ny fomba ary ny haingon-teny entinao milaza ny hetaheta sy ny fanirina. Hita eny antsefaky ny tononkalo fa misy ny fahatsorana sy ny fanetre-tena.


SOA…

Soa fa nisy anao ry vetso, ka nanan’elatra eny lahy
Ka nivadika ho teny, soratra, aingam-panahy
Ka mampita any ho any ireo izay mba tiana hiantefa
Amin’ireo maminy indrindra, ny nofinofy, tarigetra…

Soa fa nisy anao ry volana fiandrandran’ny rehetra
Na ny sambatra eny izany, na ny mahantra manjoretra
Ao koa ireo te hanamafy ny dina izay natao
Indrindra moa ireo kamboty…moa tsy ianao no jirony ao ?

Izaho misaotra anao ry vetso fa ianao no fampitàna
Izay mba tiako isambarana amin’ilay tiako any an-tanàna
Izaho misaotra anao ry volana fiandrandràna tsy misy fetra
Fa ianao no tsy manavaka ny volokoditray rehetra.


Zozoro

raozigasy ( 28/05/2009 16:05)
Soa fa nisy ianao ry vetso

Soa fa nisy ianao ry vetso , ilay elatry ny nofinofy
Vinavina sy kinasa, iry sitran’ny farofy
Ilo taratry ny ampitso, Zavazavam-panantena,
Hendratrendratry ny ho avy, tendry vavaka ekena

Soa fa nisy ianao ry volana, sy ilay taratrao mangarana
Mirotsaka ho an’ny rehetra, tsy mba misy fiangarana
Moa tsy ianao ilay banjinina, sady anaovan-jerim-bavaka
Ka ilay aingam-po izay nofihinina, abosesehinao an-dravaka

Ka ilay fanahy zary miainga, am-bolana somambisamby
Ampangolen’ny horovitsik’ilay vetso iray mpanambitamby
Volam-betso o ! vetsom-bolana ! tena ianareo mitambatra
No mandraitra sy mandafatra, ilay to , tanteraka ho sambatra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0252