RAOZIGASY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAOZIGASY

Raozy anie aho ka Raozy
Raozy fanomezana
K’aza hihomehezana

Raozy anie aho ka Raozy
Raozy fampihaingoina
K’aza dia hamboina

Raozy anie aho ka Raozy
Raozy fandravahana
K’aza dia avahana

Raozy anie aho ka Raozy
Raozy mba fanolotra
K’aza tondroina molotra

Raozy anie aho ka Raozy
Raozy an-tanin’olona
K’aza avela hiolona

Raozy anie aho ka Raozy
Raozy na dia Gasy
K’aza avela an-dasy

Raozy anie aho ka Raozy
Raozy, Raozigasy
K’aza havela hangasy


Raozy anie aho ka Raozy
Raozy na dia Dia
Ka omeo Fitia
--------
Rohy:
4433 1
Hevitra mandeha
pissoa ( 14/03/2006 16:05)
Raozy anie aho ka Raozy
Tsy voninkazo fa poeta
Mpanoratra avo lenta

Mazotoa i Raozy.
raozigasy ( 15/03/2006 08:42)
Raozy anie aho ka Raozy
Raozy ilay mpanoratra
Misaotra tamin'ny soratra

Misaotra Pissoa
Soarilala ( 29/05/2010 23:05)
Izao ho'aho mba omeo raozy, fa raozy gasy an!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0283