Sokafy ny fonao (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
« Sokafy ny fonao »
izay no teny farany
nisarahantsika

teny anefa izany
teny tsotra ihany
fa ao anatiko ao
toy ny ao anatinao
efa nisy fo
iray fa te ho roa
fo efa misokatra
fo efa mamokatra
mamokatra fitia
te ho any, te ho aty

tsy tokony hoe sokafy
angamba no nafafy
fa teny hoe “sahia”
mianatra mitia
na hoe mitiava indray
ka roa hanjary iray
tsy misy elanelana
ka fitia hamelana
sy fitia hamoa
no hanokatra ny fo

Sokafy ny fonao
Dia ho tsapanao
F’efa any kay
Ilay olona izay
Lavitra akaiky
Potika taraiky
Efa babonao
Tena babonao
Manantena hono
Miandry anao ny fony

Ny hamaranana azy
Sady teny farany
“Sokafy ny fonao”

Paris 21-06-04
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
2270 4
Hevitra mandeha
NyKanto ( 22/06/2004 12:57)
Tsy hitako r'ise izay hambara ho an'ise ... ireny efa hitantsika ireny ny tantara, ny hany teny kely holazaiko dia hoe "tazony mafy ny fanantenana, fa io no hampitsiky ny ampitso n'inona n'inona miseho ... ary hono ho aho efa sahy ve ise nanambara ilay hoe "tia" sy "sahia" sa mbola nijanona ho vetson'tononkalo foana hatramin'izao, sao anie dia tsy hitany na ko tsy reny izany hataka izany na dia efa iraha-mahita fa mibaribary be aza izao ... Mankafy ilay sanganasa eh!
Ny Kanto.
booboo ( 02/07/2004 10:44)
Tsara @ lafiny rehetra ilay tononkalo Raozigasy a ! dia enga anie hamelana foana sy hamerovero hatrany ihany koa ilay Raozy :)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0309