Tiavo re ny teninao (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo tononkalo akorisan’ny fanahy tsy misy farany
Ka mirindrarindra ho teny, manambara ny tantarany
Dia fanehoako ny fijery, sy fahitako ny tontolo

Ireo korian-teny atao, sy ireo voambola-nofinidy
Ireo tamban-teny tohivakana, sy voasoratra tsy fidy
Dia mbola haingom-panandratana, ilay teny gasy ho tsara kolo

Ireo sombim-betso feno sitraka, ireo fehin-teny feno setriny
Nenti-nizara telin-tsaotra, tao anatin’ny hatretriny
Dia fanentanana anao, ho tia ny teny Malagasy

Ireo fehezan-tononkalo, sy amboaran-tsangan’asa
Nozaraina taminao, nampitaina tan-dahasa
Dia lakolosy sy antso avo, ho anao izay Malagasy

Fa ny hafatra ampitaina tsotra, ny hevitra ambara fohy
Tiavo re ny teninao, dia ny tantaranao hitohy
Tiavo re ny tenindrazana, ary aza verezin-jo
Fa Malagasy foana ianao, ary izany tsy ho lo
--------
Rohy:
1464 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0253