TONONKALO - raozigasy
Azo vakiana?
Ny tononkalo tiako indrindra
Dia tsy ireo izay nosoratako
Fa ireo izay nanandratako
Ny anaranao indrindra indrindra
Ny tononkalo tsianjery
Izay tsy afaka ao am-bavako
Sy mampitsiky koa ny tavako
Dia ireo antsika roa irery
Ny tononkalo izay vetsoiko
Ao anatiko ao mangina
Rehefa takariva sina
Dia ilay antsonao tsy foiko
Ny tononkalo tsy nambarako
Fa nofeheziko ho ahy
Ho amboaran’ny tsiahy
Dia taminao no nitambarako
Ny tonokalon’ny fiainako
Ireo faniriana sy hetaheta
Nanosehako talenta
Dia ho anao ry foto-piainako
Hevitra mandeha
fiaritiana (21/03/2006 08:03:55)
hummm! tena mahafinaritra tokoa! mahereza e!
pissoa (21/03/2006 09:01:51)
Chapeau amin'ny aingam-panahy!
raozigasy (28/04/2006 21:01:53)
Misaotra amin'ilay satroka Pissoa a ! amin'izay tokoa ange tsy tratran'ny tanin'andro ny loha dia afaka miasa tsara e !
Mombamomba
Mpanoratra : raozigasy

Nampiditra : raozigasy
Daty : 21/03/2006
Mpamangy : 2991
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Orohy aho akia malala aTratry ny taona 2020 Ho
Gaigy be
01 Novambra 2019
Ry zalahy sy ny sasany
Natahotra
Peratra
Un jour mon fils tu vas m
Fan Zone
Ialahy