Tsy ilay raozy akory no hoe saro-piaro (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Solofomanjato hoe : « saro-piaro akia ilay raozy »

Tsy ilay raozy akory no hoe saro-piaro
fa intsony izy , tsy navahanao, fa natambatrao tanaty fangaro
dia izay no tsy tiany, satria tsy niriny, ilay izy hitovy amin'ny besinimaro

Tsy ilay raozy akory no hoe saro-piaro
fa ianao ilay ninia tsy nahita, nanova fijery sa ve nody fanina
sa jenjin'ny veron'ny loko hafa, ka tsy taminy intsony ianao, no manimanina ?

Tsy ilay raozy akory no hoe saro-piaro
fa taminao no tsapany ho nisy fiovana, ny toetranao no nahatonga azy handalina
fa natovianao lenta izy tamin'ny hani-tsahondra, ka izy indray izao no lazainao hoe mialona

Tsy ilay raozy akory no hoe saro-piaro
fa ny fidifinao tsy nisy veloma, nandalo niserana toa tsy nahalala
no nanindrona anaty, toa tsilo miverina, main-dravi-nihinanana hono ve ilay malala ?

Tsy ilay raozy akory no hoe saro-piaro
fa ianao tsy nilaza izay tena marina, hoe lalao izy ity sa misy fahamatorana
ka voaharika ny ainy, nilofi-tsy nahy, voadona mafy izy ka saika torana

Raozigasy
--------
Rohy:
1781 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.025