TSY NIOVA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NIOVA

Mitobaka angamba izany hafaliako
Ka tsy mahita izay teny soratana
Ilay antsonao iny mihitsy no tiako
Hitondra hafaliana sy hafanan’ny vatana

Ka na dia mangovitra aza ny feoko
Na dia tsemboka aza ny tanako
Ilay antsonao teo , ilay vao reko
Nampiakatra indray ilay mari-panako

Tena tsy niova mihitsy ianao
Na ny fihomehy, na ny firesaka
Mampahatsiahy ilay “izaho sy ianao”
S’ ireo fahiny toa mbola mavesatra

Tena tsy niova mihitsy ianao
Ary tsy hiova mihitsy koa
Tsapako eny hatramin’izao
F’ianao ihany ilay taloha

Mety hoe nifindra trano ianao
Mety hoe niova lasy koa
Satria ao ilay tokantranonao
Satria ao ilay ianareo roa

Nefa ange na izany aza
Tsapako hoe tsy niova ianao
Na inona atao filaza
Mbola ianao ilay “Ianao”

Ianao ilay fantatro fahiny
Ianao ilay nandresy ny fitiavako
Ianao ilay tsy nomeko tsiny
Ianao ilay mbola tian’ny havako

Ianao ilay nivadika ho isika
Ianao ilay tantara lava
Ianao ilay feno tsikitsiky
Ianao ilay nampamiran-tava

Tsy niova mihitsy ianao
Izaho koa anie torak’izany
Izaho ihany ilay fantatrao
Tamin’ny tsiky sy hanihany

Ary tsy hiova aho
Hiova ahoana nefa moa
Ny amiko efa fantatrao
Na angamba aza efa roa

Ny hany faniriako anao
Dia aza miova, “aza miova”
Mijanonà ho toy izao
Na efa misy izay mpandova

Izay sisa no hataka azo atao
Sy antenaiko avy aminao
Fa ilay isika efa tantara
Ka ts’isy azoko ambara

Dia antsoy matetitetika
Toy ireo antsonao fahiny
Eny na dia ts’isy tetika
Ts’isy hifanomezan-tsiny

Dia mamikely an-takolaka
No atehiko aminao
Madio ny foko tsy miolaka
Iriko ho toy izany ianao
--------
Rohy:
2348 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.026