VAVAKA LAMOKANY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vavaka lamokany

Nivavaka aho ry Ray
Eny hatramin izay
Ho an’ny fireneko
Izay niseho nekeko

Nivavako aho ry Ray
Na dia nahamay
Ny zavatra nianjady
“ilay fireneko miady”

Nivavako aho ry Ray
Dia nanadino anay
Fa sao dia hoe tia tena
Tsy mijery firenena

Nefa izao no vokany
Vavaka lamokany
Faty be dia be
Mameno ny arabe

Dia romotra ilay foko
Toa tena te hioko
Mangidy zany vavako
Tsy tao ilay valim-bavako

Nefa moa raha izay
No lalanao ry Ray
Dia ifonako aminao
Izao fo mitroatra izao

Satria ilay fo tsy vato
Ka mety hoe mba miato
Tsy hitempo intsony
Raha be ireo lonilony

Ka indraindray misendoatra
Rehefa tafahoatra
Ny zavatra tsy rariny
Hitany tsikariny

Ka dia mifona indray
Mifona aho re ry Ray
‘ilay vava izay natao
Ifonako amnao

Kanefa mba ekeo
Ireo vavako ireo
Mivavaka aho vonjeo
Ny taniko jereo
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Tanindrazana - Politika - Ady
1276 1
Mpakafy: Zozoro
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 02/05/2009 13:46)
Raozy ,ny vavaka misy valiny hatrany fa mety tsy voatery hatrany ilay andrasantsika Olombelona !Satria isika olombelona tsy manana faharetana,satria isika Olombelona maika hatrany ahita vaha-olana dia mazana kivy manoloana ny ady sarotra !Indraindray koa efa nahazo valiny isika fa nandray sy nandika izany hafa tanteraka !! Ao anatin'ny ireny fotoana ireny no tena hanandratana ilay Anarany Avo mba tsy ho diso anjara isika !
Mahereza ary misaotra hatrany fa ny tonokalo toy izao dia mipetraka ho tanatra ary mankahery aty alavitra aty !
raozigasy ( 11/05/2009 08:21)
Misaotra anao Faha a
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0317