Zaro (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zaro ny mitsiky, ary aza afenina
Fa rehefa maro , ny tsikinao ho tenona
Handrary hafaliana, ho tambatr’haravoana

Zarao ny tsikinao, dia fenoy ny banga
Fa ny tsiky atolotrao, na inona mitranga
No hampiloa-bava , ilay fo kamoana

Zairo ireo kitapo, tranon’alahelo
Dia aleveno lalina, lavitry ny avelo
Fa tsiky asolo azy, tsiky re omena

Zory avy eo ny lalana, voleo tsiky ny arabe
Ny hafa aleo handray, ianao kosa hanome
Ilay tsiky tena izy, nafoy tsy noterena
--------
Rohy:
1627 0
Hevitra mandeha
mikous ( 24/09/2010 09:27)
Dia ampindramo ahy ay, izato tsikinao,
Fa ambivitra ho faty ity afom-pitsikiako.
Dia zaro koa ny foko,
hibanjina ny ho avy, handevina ny sisa sy ny efa voakasa ka ho afaka toloko......
fanoandria ( 28/09/2010 08:59)
mba ampindramo ahy
raha azona atao
hamelombelona fanahy
irony tsikinao
raozigasy ( 12/10/2010 20:43)
omeko ts'isy tambiny,
omeko ts'isy ambiny
omeko dia zarao
omeko izao dia izao

ny tsiky aty amiko
ka ho maminao ny mamiko

Soarilala ( 26/10/2010 10:59)
Tsara ny manome nohon'ny mandray , fa... mbola tsara ihany koa ny zatra mahazo tsikitsiky tena izy!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0309