tia (Rary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
itako izy androany
moa va,tsy ireny..
anjely tena kanto
nitondra ahy hanofy
nanonofy 'lay niriako
ery hanabakabaka
fatratra fijery
nanaitra raha miteny
fa tsiky faratampony
no miseho sesilany
amin endriny
sariaka
mba iza loatra?
no olona
hofinidiny...
tiny tena tiny
angamba koa
toa azy?
bikana ,sady kanto
tsotra mahababo
mba iza loatra?
'zah koa toa
mantany tsisy
valiny...
angaha moa izaho
tsy afaka..
ny hanambara
ny ato am-poko
hilaza aminy
tsy hatahotra
ny fitiavako...
tsy tanako
eny afaka aho...
ny hiteny hoe
tia anao...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
775 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rary
Nampiditra : rarynofy
Daty : 20/09/2018 11:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011