KINTAN' ALINA (Ras Varatra)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KINTAN'ALINA

mivolom-bolamena
irony kintan'alina,
iry vola-mosarena
misosa maha manina ,
fa ny any re mangina
sy toa mifeo toloko !
modia aky ry tiana
fa miandry anao ny foko...

avia mba hiara-hitazana
ireo kintana eny ireo ,
fa toa mahatsiaro ngazana
ny foko,ianao raha tsy eo ,
toa satriko hiangotiana
ireo kintana mitoko !
modia aky ry tiana ,
fa mila anao ny foko...

aza handrerahan-tsaina
intsony raha ny lasa,
ary aza tanisaina
izay lalana nandratra ,
raha fitia no nijaliana
mizora ho tsaboiko !
faingàna aky ry tiana,
fa ngômanao ny foko ...

RAS VARATRA
(15 Mars 2017)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
673 1
Mpakafy: rasvaratra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ras Varatra
Nampiditra : rasvaratra
Daty : 19/12/2019 15:22
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163