Serana - ratehovalahara
Azo vakiana?
ny hamboraka izay ao am-pony
toa zava-tsarotra aok'izany
ndrao hararaotinao ny zony
ka izy handrotsaka tomany
ny tomany efa namboloiny
voakotrika niseran - tsiky
dia reo taraina tsy mba foiny
tanaty andro manjokiky
raha ianao no e hisantatra
ny fony amam-piserany
dia mitompo teny fantatra
fa ny ahiahy noferany
tsy ny tontolo ange no fady
na reo ody sy ny sampy
fa lay fotoana toa tomady
izy ihany:toloko mifanampy
teny an-tsoroky ny haizina
ny ditrany mpanangoly fo
fo iray niserana....
(tanaty haizina)
13-12-04
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : ratehovalahara
Nampiditra : yrhinasDaty : 12/02/2005
Mpamangy : 523
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Fa hay fitia hafa !Dina
'sisa-minitra'