FETY (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tonga ny fetin’i Dada,
‘Ndreo fa atolotr’i Neny
Miaraka ny arahaba
Sy ny akanjo iray ‘zay omeny!

Fa amin’ny fetin’i zoky
Dia andrehetana jiro,
Tolorana sary sy boky,
Anaovana laoka matsiro!

Fa amin’ny fetin’i zandry
‘Zay kely sy mbola minono;
Fahanana rononomandry
Sy ovim-bazaha vao natono!

Raha tonga ny fetin’i Neny,
Izaho no manolotra moa,
Manolotra sady miteny :
“Ba ny takolaka roa!”

Ny akanjo sy laoka tsy tiako!
Ny ba koa fafako hatrany!
Ny tiako, raha tonga ny fetiko,
Dia saribakoly ihany

13 febroary 1965
Ny RAHONA RATSIMBA Georges
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona - Fety
4487 1
Hevitra mandeha
belo ( 23/12/2004 15:55)
misaotra anareo nampiditra ity tononkalo ity ahatsiarovako ny fahiny tamin'ny mbola fahazaza. tsy tadidiko na tao amin'ny "Ny any aminay" izy io na "Talaky mandeha".
anisan'ny tononkalo nianarako tsianjery voalohany indrindra izy io ary navoakako foana isaka ny misy tonga fety ao amin'ny fianakaviana.
Mbola misy andininy hafa raha tsy diso aho mikasika ny Ray sy ny zoky fa tsy tadidiko intsony koa.
Misaotra tompoko.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094