KIVARIVARY (RATSIMBA Georges)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manasa re lahy, manasa!
Manasa hiara-mihinana:
Sendra masaka tsy diso rasa,
Ka ny vonona, avia iombonana!

Dia feta novolavolaina
No vary natao ampangoro;
Ravin-kininina maina
No sotron’ny Voahangy sy Noro!

Ny sira dia vato haranana
Ny lovia dia vakim-bakoly;
Ny anana no tena anana
Nalaina teo an-tanimboly!

Ny hena dia ravin-draiketra;
Taola-manga no solom-bilany;
Dia somokotra izy rehetra
Mba mikarakara an’izany!

Tsy ela fa telo minitra
Dia masaka ny hena matavy!
Tsy andriny akory ho ritra
Fa dodona ny mpianakavy!

Dia indreo fa nivavaka izy…
Tsy ‘lay vavaka vao nampianarina
Nataoko ho vavak’ankizy,
Kanjo hay tena vavaka marina.

Nohatoniko re izy ireo,
Ka revo mihinana ery!
Ny lelany henonareo?
Mipoapoaka ery mankafy!

‘Lay zanako vavimatoa
No hany manasa avy hatrany:
“’Ty, ry dada, ny henan-kisoa!”
Fa ny sisa dia tenda aoka izany!

Dia nipetraka aho ka nandray
Sy naira-nihinana taminy!
Kanjo: “Dada, jereo : tsy mahay,
“Fa ny variny re tena haniny!”

Naira-nihoraka re ny ankizy
Fa izaho, hono, tsy mba manary!
Nolazainy fa tsy tena izy
Fa lalao hoe ny Kivarivary.

14 martsa 1965
Ny RAHONA RATSIMBA Georges (NRRG)
--------
Rohy:
2220 3
Mpakafy: nazy - toetra - dianaranaivo
Hevitra mandeha
toetra ( 16/05/2010 12:04)
Tsy afaka tao imolotra ity tononkalo ity tamin'ny fony kely. Kanefa dia indrisy fa izao vao fantatro fa i Ratsimba Georges no nanoratra azy.
dianaranaivo ( 14/06/2010 13:19)
ahatsiarovako ny fahazazana. Mahay ny mpanoratra nitantara azy toy izao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149