TILY AHO (RATSIMBA Georges)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny tsy mba misy “lasa”
Tsy mba misy “ho avy” koa !
“Ankehitriny” lalandava :
“Tily aho”
Tily ! Ankehitriny toy ny anarako
Marina fa efa tsy ao
Ny marika sy fanamiana nentiko
‘Lay tehina fivimbiko iny
Asa izay mba niafarany !
‘Lay satro-penjy kitso-loha
Lasan’iza? Tsy tsaroako !
Tsy ao tokoa tokoa ireo
Fa izay tsy mbola foana
Ary mbola ao dia ao
Dia ny maha-Tily ahy
Tily aho !
Tsy noterena fa nanaiky an-tsitrapo
Tily aho !
Nivoadiko ny hanompo an’Andriamanitra
Ny ho tia ny tanindrazako
Ny hanaja ny lalàna voasoratra ato am-poko
Tily aho, eny Tily,
Tsy tranainy sanatria
Ka lomorin’ireo taona
Mitambesatra eo an-tsoroko !
Tsia
Tily aho,
Hatramin’iny andro iray nanotronan’ireo namako
Ka nananganako ny tanako
Sy nanandratako ny voadiko,
Eny, mandra-pahafatiko
Tily aho !
Satria ny “Tily” mantsy
Teny tsy mba misy “lasa”
Tsy mba misy “ho avy” koa !
“Ankehitriny” lalandava :
“Tily aho”
Tily ! Ankehitriny toy ny anarako

Ambanidia, 29 martsa 1974
RATSIMBA Georges
Chef Jaboady Troupe IV Ambatonakanga
Troupe “RAMITRAHO” Fihaonana Ankazobe
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - ahy - Namana - Fahatsiarovana
2756 2
Mpakafy: pablo20 - solama
Hevitra mandeha
falyfenosoa ( 23/02/2011 15:04)
Tsy mba nanao Tily moa ny tena, nefa, raha toa ka tena toy izao voatanisan'ny mpanoratra izao no fahitana ny fiainan'ny Skoto ankehitriny dia tsy toy izao Madagasikara, saingy indrisy fa toa lasa rendrarendra no hita any anaty fiainan'ny Skoto amin'izao fotoana fa tsy toy ireo voatantara ireo.

(Tily aho !
Tsy noterena fa nanaiky an-tsitrapo
Tily aho !
Nivoadiko ny hanompo an’Andriamanitra
Ny ho tia ny tanindrazako
Ny hanaja ny lalàna voasoratra ato am-poko
Tily aho, eny Tily,
Tsy tranainy sanatria
Ka lomorin’ireo taona
Mitambesatra eo an-tsoroko !)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149