TSAROANAO ANDROANY - Ravanondrazana
Azo vakiana?
Aleo ny fo hangina,
Raha sendra ianao tomany, nilaozan'olo-tiana.
Ianao maniry hotiany,
Nefa mihamatsatso, ka harorany sy hariany.
Aoka hisaina lalina,
Raha misy milavonjy, mangataka ho tiavina.
Moa tena tia ve izy?
Ekeo ny anjara ratsy, raha vao diso ny safidy...
Aleo aloha mandà,
Raha mbola ditra foana, no sainin'ny lehilahy.
Sahia miteny: "TSIA"
Raha ara-nofo ihany no sakafon'ny ambodia.
Mba matahora ihany,
Fa aza kinga loatra, sao mandrangitra filàny.
Fa any ho any misy
Fitia mbola madio, saingy irery, mitampify...
Aoka ianao ho hendry,
Raha toa ka mahazo, ilay vady izay kinendry.
Ekeo dia aleo mitony...
Raha toa ka izy ihany no mahatonga lonilony.
Aoka hihira-tsaina...
Raha fitia vao mitsiry, no sahiny hogejaina.
Aoka hitsiky hatrany,
Raha dinitry ny lasa no tsaroanao androany.
RAVANONDRAZANA,
22 OKTOBRA 2019
Mombamomba
Mpanoratra : Ravanondrazana

Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 20/02/2020
Mpamangy : 419
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ILAY NOTIAVIKOFIANARA
MANORATRA TANTARA
ANY ALAOTRA ANY
MPAMAHA NY FATORAKO
ATOLOTRA HO AN'I
VALIN-KAFATRA
HAINTSO
TENY ROA
TENA TIA