ANDRO VOALOHANY (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRO VOALOHANY


Asa ianao raha mahatsiaro, ny lasantsika roa
Rehefa injay migadona, ny andron'ny Alahady.
Tsaroako tsara koa, fa tamin'izaho nafàna fo,
Navitrika ny miangona, fa te handresy an'ady.

Fotoana tsy nampoizina no nampiray antsika,
Tamin'ny làla-miakatra fizoran'ny mpiangona.
Ianao tsy nisy namana voamaika nampirisika
Ny tena mba hikatsika: voatsiky ka nanatona!

Dia niaraniaraka eny, ka niraisana ny toerana,
Niditra ny diakona, tarihin'ny ray mpitandrina.
Mangina sy milamina mandray ny fitenenana
Ny mpitarika fotoana izay mijoro manoloana.

Fa lasa be ny saiko ka tsy misy zavatra haiko
Mivorako aho tsy hitako ny toeran'ny salamo.
Mamadika aho mitady, dia mitsiky kely ianao
Kanefa iny mihitsy no mampiditra ny angano.

Ny feonao malefaka manonjanonja am-poko,
Ny endrikao sariaka no mandravaka ny trano,
Ny akanjo lava fotsy no hazavan'ny fo toloko,
Miseho mamirapiratra sy mampanganohano.

Kanto, mahafinaritra: tahakan'Andriamanitra!

"Aoka isika hitsangana, hidera sy hankalaza..."
Hoy ilay mpitarika ka indro ianao mihantrana,
Miroso kely alohako, amin'izato bika "manja"!
Manentana ahy mihitsy fa tazako mivantana,

Maninton'ahy ny hanitra manenika ny vatana.


Ravahan'akanjo lava, izay manify dia manify.
Teo no nahatsapako fa dia babonao ny tena!
Sady ianao no hinoako ilay anjara mitandrify,
Fa tolotra voahoman'ilay Ray be fahendrena.

Teo vao tonga saina fa izaho io kay mitoetra,
Ka mihanahana fotsiny ho toy ny adala izany!
Mitsangana aho, mipetraka ny olona rehetra,
Ts'isy zavatra haraka: sahala tsy eto an-tany.

Fa tsy hitahita akory no nahatonga saina ahy,
Ny mpitandrina miteny fa hamarana fotoana
No hery toa nanentana, nahataitra ny fanahy
Koa nokaloiko vavaka misaotra foana foana.

"Misaotra he ry Ray mba nitarik'ahy hiangona.
Ekena anie ry Tompo fa dia tena fahadisoako
Ilay misary adala, manadala izay tsy miavona
Kanefa, eny tsapako ny fitiavana ao am-poko.

Ny hibebaka no tanjona, kanefa zavatra hafa,
No hafitsok'ity zandry, fa nahita ny olon-tiana.
Na izany na tsy izany dia aoka ianao, hamafa
Ny ditra, toetra ratsy: ny mety ho faharatsina".

Na dia tsy hotohizako, ny vavaka sy ny hirako
Dia fantatrao ny tohiny, ho antsika irery ihany.
Ny jiolamboto namana, no tiako hoe tarihako
Hiova ny ho mpivavaka ho sendra anjara any.

Asa ianao raha mahatsiaro, ny lasantsika roa
Rehefa injay migadona ny andron'ny Alahady:
Niraisam-po voalohany, imason-dRay tsitoha
Koa nahatsara fototra, ny antsika roa mivady.



RAVANONDRAZANA
02 OKTOBRA 2021
--------
Rohy:
540 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 04/10/2021 02:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115