ANY AMBANIKO ANY - Ravanondrazana
Azo vakiana?
ANY AMBANIKO ANY
Any an-danitra any... Paradisa, hono, ny any...
Kanefa mbola mamiko raha ny eo anilanao.
Manintona ahy ny tany sy izao tontolo izao.
Fa mbola ianao hatrany no ankafiziko kokoa.
Mamololona aok'izany ilay fitiavantsika roa.
Lemain'ny teny mamy 'zay henoko miavosa.
Mampamorivory izato foko mbola osa,
tamin'ny resaka fitiavana efa zatra noratraina.
Ianao mahalasa saina, tsy mampahita tory:
Miseho ho "fahitàna" manamorina kamory.
Kanefa koa indraindray mampanofy mamy.
Mahalena vao maraina ny any ambaniko any.
RAVANONDRAZANA
15 JONA 2022 22:43
Mombamomba
Mpanoratra : Ravanondrazana

Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 16/06/2022
Mpamangy : 191
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VELOMA MALALATSY EKENA
ADALA
BITSIKA
HIAKAN'ANABAVY
FITARATRA
ZETRA
MIRARY SOA FANILO
FAHASAMBARAKO
INONA ÀRY IZANY ?