HO AN'I ZANAKO (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN'I ZANAKO


Matoa aho mikiry: mianatra hatrany!
Hamaly babena ny Ray aman-dReny.
Hisedra ny mafy sy fiainana an-tany,
Hanomana hoavy, inty voa novoleny.

Ho lasa sarotiny, hitsimbina ny aina.
Hitsinjo sahady ny dimby sy farako.
Ireo no handova sy sisa hantenaina,
Hiaro izay vita ka hanohy ny làlako...

Matoa aho mitety ny sipa mibànaka!
Mbola mitsara, mandranto traikefa...
Mifidy ny mendrika hakàna taranaka,
Ho reny mahefa tsy ho isan'ny hilefa.

Ho tena mahery sy mba hampitraka.
Manitsy ny toetra, ny ditra hatrizay!
Ho tena fitiavana no hanorom-paka,
Ny fanambadiana izay mandrakizay.

Matoa aho velona, ho tena lehilahy!
Vonon-kiharitra: hamelona zanaka.
Mihezaka ho tsara manova fanahy,
Sahy ho fitaratra sady mpananatra.

Tsy mety ny fomban'ny olona kamo:
Bantìny efa anjara ny tsy afaka kiry!
Ny zanako kosa, tsy hidiran'angano,
Tsy hatera-kahantra handova hirifiry.


RAVANONDRAZANA
10 Avrily 2021
--------
Rohy:
566 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 13/04/2021 10:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015