KILASY FAHASIVY (Ravanondrazana)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KILASY FAHASIVY



Indray ariva izay, nahatazana vehivavy aho.
Madamadama bika: miravaka sy mihaingo...
Samy indray niherika ka babo teo daholo ireo tovolahin'ny alina,
Satria tokoa ny ambaniny miendrika "baraingo" mahavalalanina.

Iny fa niampita aho ka nanaraka milamina.
Fa te handray anjara hifaninana ihany koa.
Làlana mahazatra fodiako no nizorako... saingy izy no eo aloha.
Teo am-pandehanana aho no sady lasa saina:
Ito izao raha zokiko roa na telo taona... mety mbola eo ho eo a!
Na zoky dimy taona mbola satriko zakaina.

Nafàna be ny foko, nientanin'ny finoako, koa dia nanatona aho.
Nahita akaiky ny endriny vao gaga tena gaga fa mody tonitony
No sady tonga saina... "Nisy antony kay tao
Matoa ireo tovolahy no tsy rototra nanaraka ny olona toy itony."

Kanefa aloha tiaviko amin'ny bikany foana izy...
Nanomboka niresaka teo izahay roa kely dia mbetika mitsiky izy
Matetika tokiky tamin'ny zavatra ts'isy antony, no tia mivazivazy.
Avy eo aho nanontany ny mombamomba azy:
Ny anarany, ny asany, ny toerana ipetrahany, ny taonany ihany koa...

Teo vao saika tsy hitako ny làlana hodiana.
Sahala zanak'antitra tsy mahay maminavina aho.
Hay izy iny zandriko,
Azo ambara zanako
Raha ny elanelan-taona no asiana fampitaha.
Madamadama bika kanefa mbola zaza, mandrangitra lehilahy.
Tsy haiko intsony hoe firy
Sahady no efa tany fa izaho aloha tsy sahy e!
Tsy noho izany loatra no nampihemotra ahy.
Fa noho izy ankizy: mahatongatonga saina no sady mahakivy...
Izy koa moa mpianatra, vao mamaraparana ny kilasy fahasivy.




RAVANONDRAZANA
20 JONA 2022 07:05 PM
--------
Rohy:
406 1
Hevitra mandeha
antsahoneywinner ( 07/08/2023 16:27)
Mankasitraka ny mpanoratra sy ny mpiantsa!
ikalamako ( 07/08/2023 20:07)
ianareo mpanoratra no tena isaorana nizara ireny aminay.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 15/07/2022 20:39
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125