MILA ANAO IZY - Ravanondrazana
Azo vakiana?
MILA ANAO IZY
Aiza àry ianao, mba hanohana ny ainy!
F'ianao no hany sisa, taranaka hantenainy,
Handrehitra fanilo efa maty hatramin'izay;
Hanala fahamaizinana ho paradisa indray.
Aiza àry ianao, mba hijoro foana hatrany!
Hamerina ny hasina na koa ny fomban-tany.
Hiaro sy hamoha ireo kolontsaina saika lefy.
Ho masina ny fady ka ny fomba tsy azo atefy.
Aiza àry ianao, ho sarotiny amin'ny tenany...
Tsy hanaiky hobotrina ao anatin'ny harenany.
Sanatria ny dimby no tsy hatratra izany intsony,
Ka fahantrana hono no anjara avy any ambony!
Aiza ary ianao, fa efa anao ny fahefana...
Hampamiratra ny hoavin'ny taranaka any afara.
Meteza hahay hanova ny toe-tsaina efa ratsy;
Meteza ianao hamerina ny maha MALAGASY.
RAVANONDRAZANA,
28 MEY 2019
Mombamomba
Mpanoratra : Ravanondrazana

Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 29/04/2020
Mpamangy : 343
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
SEKOLY POETAMISOKATRA AMINAO
MIKATONA AMINAO
KILASY FAHASIVY
ANY AMBANIKO ANY
ANDRO FAHAFITO
HITIA ANAO TOKOA
SAROPIARO
FANAONAREO MPANORATRA
IARISOA