MISOKATRA AMINAO - Ravanondrazana
ikalamako
MISOKATRA AMINAO
Mitovy sy sahala amin'ny olona adala aho...
Raha manova làlana, mandà ny tànanao
mitsotra te hamerina ny fiarahana taloha.
Mantsy ny ahy foko: tsy mety manadino !
Tinefinao ho vato ka nahazaka rimorimo;
Nahazaka ny hirifirin'iny fisarahana iny...
Ratraratra maro no indro tonga holatra.
Vonona aho ny hijoro kanefa tsy ho tohatra:
Ny fijaliana iaretan'ilay raozy iray voavoliko.
Ny amintsika roa, mihitsy aloha raha tsoriko
Mahafeno boky roa, inoako hitohy ho telo...
Tantara mitanisa ny fiainam-paradisa;
Ny fiainam-pisarahana mahatonga alahelo.
Isika raha nisaraka dia samy tompon'antoka.
Ka ifamela isika... ifanohana amin'ny sarotra.
Tsapako ireo lesoka ka sanatria tokoa
Ny hamerina azy ireny...
Mihitsy sady sedra mahatsara antsika roa.
Ny hanakatra ny tanjoko
Tsy vitako 'zaho irery raha toa tsy misy anao.
Maro ny anatra azoko, fony teo an-tànanao.
Hatramin'izao ny foko mihira ato an-tsaiko :
Mivetso anao mangina... tia ka dia mibaiko
Ny momba ahy rehetra mba hisokatra aminao.
RAVANONDRAZANA
31 JOLAY 2022
Hevitra mandeha
MAZ RAMANA (01/08/2022 09:28:55)
Tsy hita ihany izay tena marina ve? hihi
Ravanondrazana (19/01/2023 15:08:10)
Mombamomba
Mpanoratra : Ravanondrazana

Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 31/07/2022
Mpamangy : 210
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VELOMA MALALATSY EKENA
ADALA
BITSIKA
HIAKAN'ANABAVY
FITARATRA
ZETRA
MIRARY SOA FANILO
FAHASAMBARAKO
INONA ÀRY IZANY ?