TENA TIA - Ravanondrazana
Azo vakiana?
TENA TIA
Hipoaka ve ny lanitra, vao mety ho tsapanao?
Sa hirehitra ny tany mbamin'izao tontolo izao,
Vao tonga saina ianao hoe 'zaho ilay tena tia?
Nikasa hiara-dàlana sy hampiadana aho satria:
Ny dimby sy ny fara no tiako mba ho vanona
Tinaizan-dreny tsara, sy manam-pahendrena.
Tahaka anao mihitsy: ilay olona tsy miavona!
Mendrika ny hotiavina mba ho silaky ny tena.
Miangavy aky malala a! Ny hatako aza lavina
Sady izaho manaiky fa dia olo-mahatsiravina
Tsy mendrika aho ekena, na dia hiara-dalana,
Kanefa kosa aho olona mba manana fitiavana.
Hipoaka ve ny lanitra, vao mety ho tsapanao
Moa ho faty mihitsy raha ny tenako eto izao!
Vao iny fa hanenina, sy hatsiaro ireo taloha?
Ry kiala tiako indrindra izay mampitapy loha!
Manongo ny ao am-po fa mbola tiako foana
Na dia mandà fitiavana, izay efa niala saona.
Rehefa ho avy ny andro handaozako anareo
Misidina any ho any, ilay fanahiko izay toreo
Manaraka anao eny, amin'ny lalana ombana,
Mitia anao mangina nefa tsy azonao raràna.
Ny hamaranako azy dia aoka haveriko ihany
Fa tena tiako ianao, raha mbola eto an-tany!
Satria aloha tsy hitako izay any ankoatra any.
RAVANONDRAZANA
26 OKTOBRA 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Ravanondrazana

Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 26/10/2021
Mpamangy : 306
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ANY AMBANIKO ANYANDRO FAHAFITO
HITIA ANAO TOKOA
SAROPIARO
FANAONAREO MPANORATRA
IARISOA
SITRAKA
EFA NOLAZAIKO ANAO
MAHAVALALANINA
HAFA HOY AHO IANAO