VELOMANAY AKAMA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELOMANAY AKAMA


Eto Ambohimiangaly no manao ny fara-tazana
mitopy mianavaratra...
Manao velona farany ho an'ny namanay nandao.
Tomany ka tomany ilay tanàna nahalebeazana
amin'izao fotoana izao.
Fanahy maniditsidina laroin'ny fahanginana miavosa anaty lalina,
No indro fa mahenika ny sain'izay manembona :
noheverina ho mpania kanefa raha ny marina,
dia manana fo nofo mampitsàngana ho velona
ny tsiarom-pahazazàna niarahanay nisambatra.

Eto Ambohimiangaly no mandinika ireo hafatra
vinelany ho anay talohan'ny nandehanany.
Indreto izahay namany mitàzana ireo havany
mangaina anaty fiara andeha ho any avaratra any.
Tsininjonay eto ihany ry zareo na dia efa lavitra...
Eto Ambohimiangaly no iombonanay maharitra.
Mantsy lasa izy iny,
hody an-tanindrazana mba hiadana finaritra
hioatra noho ny olona amin-kery sy amin-kasina.

Endrey mitomandàvana ny havoana avy antsinànana
miezaka mampihonona...
Mifafy hatramin'ny erika: hampody anay tavela
tsy hiangona eto intsony.
Fa indro koa ny hatsiaka: masiaka, tsy mamela
ny vatanay hitony ka hisaina ny any ankoatra.
Ny fo mamorivory no tsapa te hitroatra;
te hanaotao foana saingy masina ny tany
sy ny mponina eo aminy...
Mihitsy noho izany dia niseho ireo fahagagàna
ho teboka mamàrana ny VELOMANAY AKAMA.


RAVANONDRAZANA
20 AOGOSITRA 2022
--------
Rohy:
308 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 23/08/2022 18:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102