ZANAKA MPANOTA (Ravanondrazana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZANAKA MPANOTA


Mihorohoro fatratra ny vatanao sakaiza!
Resy moa ka ho aiza?
Ny lanitra lanjaina mirehi-pahatezerana.
Ny tany izay hitoerana,
No fasan-kilevenan'ny ota an-kabibiana.
Mahatonga fahoriana,
Ny aretina mamono mikiky fo sy saina.
Ka indro ianao taraina,
Torovana ka miantso ny Andriananahary:
Mpamonjy tsy manary!
Mafana fo mivavaka rehefa mafy ny ady;
Mangataka miangavy;
Mampanatena voady r'ilay mientam-po,
Mikendry tombontsoa.
Olombelona tokoa rehefa mba nomena,
Dia mivadi-panekena.
Moa atao mahagaga ny loza iainan'eto?
Mamono fo mitempo!
Dia iny indray ianao fa sarotra tenenina.
Mbola sahy miverina,
Anaty fomba sampy ka hofanambazana
Ny hatezeran-drazana,
Ny tanjonao kanefa, diso ianao sakaiza!
Mpahary no mitaiza,
Mifehy ny fisedrana midika hofanefena.
Satria ianao nekena,
Mba ho tena olona zanak'Andriamanitra;
Mihafy sy maharitra.
Mamakivaky sedra sy ny làlam-piainana;
Matanjaka fisainana.
Na dia olombelona mpanota aza ianao,
Dia Izy tsy mandao!
Ny vavaka sakaiza ventesinao maraina,
Raha mbola velon'aina.
Mihorohoro fatratra ny olona eren-tany.
Avy any an-danitra any,
Miraraka ny kintana, mirehitra ny rahona.
F'aza ianao misaona...
Minoa hoe any misy ny fiainana finaritra,
Anilan'Andriamanitra!


RAVANONDRAZANA
30 AVRILY 2021
--------
Rohy:
653 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 01/05/2021 09:28
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012