Avelao ho ahy ny lapan'ny fonao (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avelao ho ahy ny lapan'ny fonao,
Fa raha mantsy izaho no ao:
Dia ho maintso indray ny maina,
Izay manomboka mangaina.

Dia ho asako ny hamita,
Ny ampitso tianao ho hita:
Ho rakotra hasambarana;
Fa tsy hitandroko hasasarana.
Sy hanasitrana ny fery,
Izay ezahinao ahery,
Ka tsy hita miharihary,
Nefa reko maharary.

Tsy hoe izaho no tena avanana,
Amin'izay mety hisafidianana;
Fa samy manitra io raha taho,
Fa karazany hafa fotsiny aho.

Izay efa namandrika sahady
Raha toa ianao mitady:
Ampitso voadidina fitiavana,
Sy rakotra hasambarana;
Tsy ho voaovan'ny fotoana,
Izay hanozongozona eny foana.

Dia tsy toky fotsiny ny ahy,
Ndrao mety hampanahy...
Fa fitiavana tsy miaro vazy
Izay izaho ihany no manana azy...

Ka avelao ho ahy ny lapan'ny fonao,
Fa tsy hanenenanao...
Fa ho ataoko ao ny lafatra,
Izay efa notadiavinao naharitra.

Izay azoko antoka fa hananako,
Satria...
Izaho no tena "tia".

Zo Andr - Antananarivo, 03-01-2022, 00:19
--------
Rohy:
625 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131