You are here: home > Vetso

Lafatra r'Iaina no fetra - Herizo Ravonjison Andrianitsiahy

Azo vakiana?

Lafatra r'Iaina no fetra hitiavako anao
Fa, tsy misy teny mamy toy izany
Hilazako ny fitiavako izay tsara kalitao
Isan'andro mihavao, raha tany koa ny tany
Asa ve mba takatrao ?

Lafatra raha feheziko amin'ny vava,
Satria tsy misy teny hafa mahalaza  marimarina
Ny hoe voafefy fahendrena ka tsy atahorana ho rava
Ary nataoko tsara ambina ka sarotra hangalarina,
Ilay fitiavako madio izay mihatsara lalandava

Lafatra r'Iaina izay noheveriko hasiana,
Ao am-poko ilay fitiavana resahiko...
Mangina anefa aho mba ho heno ao mangina
Fa raha misy zavatra katsahiko,
Dia ny hitantana anao, izay re no faniriana...

Herizo Ravonjison, 02-05-22, 22h52, Antananarivo