Misy reny tsy miteny (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy tiana tsy miteny,
Fa fanina aho nitady.
Volafotsy fitosiana,
Mihidy anaty vatam-paty.
Mikiry azy izao ny foko,
Dontodonton`ny toloko.
Very saina tsy mahatsiaro,
Vontovonton`alahelo.
Ka any hery mitomany,
Sy manontany izay nombany.

Reny tiana indrindra,
Fa diamondrako nifindra.
Ao anaty dongon-tany mifangaro,
Hodidinin`ny alam-bero,
Sy rafi-bato mikotoana.
Horavaravan`ny fotoana.
Samy vita tsy misy sisa,
Ka fara-hery mitanisa:
Ireo anjara voatadidy,
Sy ireo teny sarobidy.

Hiazona ho lova tsara,
Ireo anatranatra rehetra.
Amadika azy ireny ho amboara,
Sy hampiaina azy tsy misy fetra.
Hampita ny fanilo izay nomena,
Ho modelim-pahendrena.
Ho tsangambato hampatsiahy,
Ilay reny tsy manahy.
Izay nodimandry, handiso angoty,
Sy hamela ahy ho kamboty.

Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY, 30/10/2019
--------
Rohy:
666 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106